ANDRO FAHAFITO (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO FAHAFITO



Sabotsy mahafinaritra! Kanefa koa tsy mora
ny niainako ny androany.
Miraikitra mahasosotra ny minitra sy ny ora.

Tsy handriko ny ampitso 'zay hiaonantsika any
an-tranon'Andriamanitra.
Manintona aok'izany ilay endrikao finaritra.
Kanefa sahy nanatona an'ity mpanota kely
sendra nandeha irery, nihazo an'iny làlana iny...

Ianao rahateo vahiny mba sendra nanontany
ny toerana hivavahana rahampitso Alahady.
Mahagaga fa nitovy ! Deraina anie ny Tompo !

Izaho mivavaka any, hoy aho nanita-dresaka.
Teo no nahalalàko fa eto ianao no hipetraka,
Nifindra monina eto, fa tsy handalo sanatria.

Nilaza ianao hoe maika fa mbola manan-dia...
Nisaotr'ahy teo ianao noho 'lay 'zaho namaly.
Kanefa raha ny marina? Izaho no mankatelina
Satria dia amam-bolana no efa tsy hary tany...

Ho tena namanao aloha no kajiko amin'izao !
Manaraka eny ny ambiny halefako milamina.

Ireny androany ireny no mameno izato alina.
Hany ka mitombo raha ny haben'ny faniriko:
Hivavaka foana aho manomboka rahampitso !

Tsy azoko hivalozana fa tena fahatsiarovana
Satria dia nohamasininao ity Andro Fahafito !



RAVANONDRAZANA
13 JONA 2022 16:52
--------
Rohy:
362 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 16/06/2022 08:36
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104