ATAMBATRY NY FIAINANA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAMBATRY NY FIAINANA

Fony mbola tao am-bohoka ity vadinao malala...
[...] Andraso mihitsy aloha,
Aleo ianao mba miankina; miondana ny tratrako hanohizako ny resaka.
Etsy koa banjino izato fara-vodilanitra voaravaky ny hakantony.
[...] Rehefa vita izay dia... Fantohy ianao malala!

Fony tao am-bohoka aho no efa ianao no kintana namaritra ny vintako,
Tsy fantatro hoe mahery sa malefadefaka ihany,
Fotsiny azoko antoka f'io vintana io no poitran'ny anjarako eto an-tany.
Samy teny ho eny, nifanojonojo teny dia tafiarafiara-dàlana
Dia nifankafantatra isika roa avy eo,
Zary mihoatra lavitra ny namako fahazaza sy ireo indray mihira tamiko
ny fifandraisantsika vetivety kely teo... izaho mba saika gaga!
Kanefa tonga saina fa hoatr'izao mihitsy rehefa atambatry ny fiainana.

RAVANONDRAZANA
15 MEY 2022
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 10/06/2022 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014