ATOLOTRA HO AN'I (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATOLOTRA HO AN'I


Miarahaba lesy nahatratra ity tsengerin'
taona nahaterahan 'lah ry bandy akama.
Ny ezaka sy kiry no tsiaro mitamberina
Vao resaka fianarana sy resaka tanàna
no asina teny kely hanembonana ny lasa.

Fa tao Ambato tao ilay isika mba nikasa...
Tao isika nianatra voalaza hoe: "mahay"
Satria moa siantifika, ka tena nifandray!
Lycée Ranohavimanana ilay namolavola,
Ny mpianatra hijoro miharitra izay dona.
Tadidiko eto koa fa isika mihitsy kay no
Kilasy mba modely, tao Antsahamarova.

Mamparary saina e! K'aleo hajanona any...
JESS no fiantsoko an'lah io, tamin'izany!
Izay no fahazarako koa aza omena tsiny
Satria ialahy mitovy amin'iny mpihira iny
raha atao indray mijery...
Tsy haiko ny tsy hiteny f'
Ialahy aloha anisan'ny namana milamina.
Azo sokajina ho rahalahy ny tena marina.

Arabaina lesy dia mirary soa ry TIAVINA,
Mirary fahombiazana ho tojo izay anjara;
tafim-pahasalamana sy fahalalàna tsara.
Mirary mba hitoeran'ny fahendrena anaty
avy amin'ny Andriamanitra.
Izy anie no hitantana sy hanome finaritra
Mamaky làlan-tsarotra anatin'ity fiainana
Satria dia Izy ihany no tompon'andro iainana.


RAVANONDRAZANA
18 JANOARY 2022
--------
Rohy:
463 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : RAVANONDRAZANA
Daty : 27/01/2022 14:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141