ILAY NOTIAVIKO (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY NOTIAVIKO



Mahantra izy iny, ekeko!
"Mahantra mahamenatra" hoy ny namana maneso.
"Fa nga dia iny mihitsy?" hoy kosa ny atsy ankilany.
Dia lasa teo ny saiko hoe: mba iza re no iankinany?
Raha samy hanao izany, amin'ny olona tahaka azy
ny manana fanana 'zay mihoatra noho ny ananany.


Kanefa na dia izany, tsy resaka fitserana no mba itiavako azy;
Tsy akory hoe izy tsotra dia kendreko hanalan'azy.
Tsy ho ataoko fanaparana an'izay filàn'ny nofoko!
Tsy ho ataoko fanambany ao anaty tokantranoko.
Sanatria mihitsy ny hikasa hampahory an'iny zanak'olona iny.
Fa tena hoe notiaviko, amin'ny fo tsy manan-tsiny;
Sady mbola hotiaviko, amin'ny androko eny foana.


Tiako loatra izy iny saingy, tsy haiko hoe nahoana?
Angamba ilay fahatsorany, amin-java-manoloana;
Angamba ilay fahazarany, mihatrika ady sarotra;
Angamba ny herin-tsainy, na ilay izy matomatotra;
Izay tokoa angamba no mahatonga ahy tia azy?
F'izy iny aloha dia lafatra, raha samy zazavavy...
Na aza mantsy izy iny hoe: "zanak'olona sahirana"
Mba manan-jò hotiavina sy ho manana hifikirana!
Ka tiako ny ahy izy iny! Ary sambatra aho fa tiany.



RAVANONDRAZANA
01 FEBROARY 2022
--------
Rohy:
435 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 02/02/2022 14:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105