MANORATRA TANTARA (Ravanondrazana)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANORATRA TANTARA


Etsy aloha fihiniko inty vatanao mahia,
Avy eo bataiko kely...
Mihanoka ity andro hisambarana fitia.
Ny masonao mijery? te hiteny zavatra!
Hita te hanapatra ilay fanirina fatratra.

Mampite anongo ny andilanao malala,
Safoiko kely midina...
Izaho tsy te ahalala ny tànako an-kavia:
Efa zatra miodina misafo manodidina!
Ny molotrao koa io fa, iraisantsika roa.
Loha somary mandry...
Mikasika ny tanako ilany an-kavanana:
Io no tena havanana (tian'ity malalako)
Misafo izato volo malefaka tantànana;
Misafo ny an-damosina...
Mivadika eto aloha, rehefa lasalasana.

Injay tokoa ianao fa manao tahak'izay!
Ny rantsanao koa, kay!!!!
Malefaka fikasika no toa mangitikitika
Ary mampafàna ny làlan-drà madinika,
Mampisetrasetra ny tontoloko rehetra.

Minitra vitsy monja... taty aoriana kely!
Toa mangorohoro sahala hoe malemy
Isika roa avy eo, koa samy tafadaboka
Tamin'izato toerana tony sady maloka.
Aza hoe manahy isambatra ny anio fa,
Hiova paradisa ity tontolo ity malala a!
Ka eto isika eto no, manoratra tantara!



RAVANONDRAZANA
26 JANOARY 2022
--------
Rohy:
528 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
hery ( 01/06/2023 17:09)
Ho tantara lava ity :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : RAVANONDRAZANA
Daty : 27/01/2022 14:58
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144