SIGARA (Ravanondrazana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SIGARAMafy lehiretsy ny fankam-panahy
fa mbola mahery kokoa ny sigara.
Taonjato maro no efa hampanahy
raha io no lovan'ny dimby sy fara.
Na ny olo-masina tratran'ny vokany,
samy nifoka ny setroka havoakany.
na tsy ninihina, raha ny eto an-tany,
tsy afaka miala amin'ny setrok'izany.
Izy ilay fototra mampifandray...
manova ny saina ho tena lehilahy.
Sady noho izy dia kinga, mahay...
finafa ny lasa ka moana ny tsiahy.
Kanefa izy ihany no sahy mamono,
rehefa mamaka ny setroka anaty.
Sigara mandoro toy ny afo mololo:
vonon-kanempotra mandra-pahafaty.
Misy ny sasany tia handrakandrana,
Mety ho kofina, handeha ranomaso.
Mazàna ny bandy no misy finiavana
Handrehitra azy, ka zary ho ankaso...
Mafy lehiretsy ny fankam-panahy
Fa mbola mahery kokoa ny fitiavana.
Ny setrok'izany manempotra ahy,
Miteraka aretina tsy misy fanafana.
RAVANONDRAZANA
09 AVRILY 2021
--------
Rohy: