TONTOLO FAHAROA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONTOLO FAHAROA


Fisiana iray nofisiko amin'ny ora fifantohana...
ny "Ianao" sy "Izaho"
mivoady ny ifanohana amin'izay kasaina atao.
Mihitsy horonantsary tsy misy fahataperana
miforona ato an-tsaiko,
ny "Isika roa" manerana ny "Masina" najaiko.

Fisiana iray nofisiko amin'ny andro fahoriana:
ny "Ianao" andrian'ny "Fahazavàn'ny Saina".
Mamoha ilay fisiana nekena ho andriamanitra
eo ampoton'ny hazon'aina;
Ary "Izaho" mitondra
any am-pasana mangina ilay varatra mafonja,
nampisy fanaintainana tao aminao ry "Tiana".

Fisiana iray nofisiko amin'ny alim-pifantohana:
ny "Ianao" sy "Izaho", mamela fahatsiarovana,
mizara Raozy Fotsy amin'ny toerana lalovana.

Fisiana iray nofisiko amin'ny hery faratampony
ny "Isika roa" misitaka, manokatra ny saron'
ity tany feno sitraka midera izany hakantony.
Ho fisiana iray vaovao miaraka mandingana
ny tontolon'olombelona ny "Ianao" sy "Izaho"
misambatra eny amoron'ny "Loharano Velona".


RAVANONDRAZANA
09 Novambara 2022
--------
Rohy:
433 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 20/11/2022 19:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151