Ho an'i Hjravs (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hotanteraka ny nofin'ilay tsy ampy sakafo
Raha tsy misy intsony zavatra lafo
Samy mbola nofy avokoa aloha hatram'izao
Ry HJRAVS, na ny holazaiko na ny voalazanao

Izao no mba zavatra fantatro
Tononkalo, hanoratako ny zavatra hitako
Tsy filaminana, korontana, halatra tsy hita lany
Raharaham-pirenena mivadika ambony ambany:

Nitoroka ny ao amin'ny antemieram-pirenena
Fa ireo zony hono tsy nohajaina fa nohosehosena
Mandeha ihany hono ilay daty
Fa mbola tsy azo foana ilay katikaty
Dia nandefa fitoriana teny amin'ny fitsarana
Fa ny filoham-pirenena hono nandika lalàna
Ireo solombavambahoaka sasany
Tsy nety:fa namela azy hanohy ny asany
Fa tsy rariny ny nolazain'iretsy teo aloha
I Madagasikara aza izao vao hifoha
Ka hosakanana sahady?
Tsy ekenay azafady
Efa manangasanga any zao ny dolara
Ka hiakatra ny PNBn'i MADAGASIKARA(1)
Ny FMI koa hanolotra fanampiana
Hoy ny vaovao mahaliana
Matoky aza izao ny mpampindram-bola
Raha niteny tao amin'ny télé ny minisitry ny vola
Hahatratra IRAY izao ny IDH(2)
Hofoana ihany koa ny VIH(3)

Hotanteraka ny nofin'ilay tsy ampy sakafo
Raha tsy misy intsony zavatra lafo
Samy mbola nofy avokoa aloha hatram'izao
Ry HJRAVS, na ny voalazako na ny voalazanao

Z'ANDRYGASY, 17 / 06 / 15

(1) harikarena faobe
(2) Indicateur de Développement Humain:fandrefesan'ny PNUD ny fari-piainana amin'ny lafiny ara-tsosialy, refesina:0 Hatramin'ny 1
(3) ny SIDA
--------
Rohy:
830 1
Mpakafy: hjravs
Hevitra mandeha
z'andrygasy ( 17/06/2015 14:36)
Tsy hoe mangalatra ny tononkalonareo raha nindrana andalana fa kanto loatra izy ireny ka niteraka aingam-panahy ho ahy
hjravs ( 18/06/2015 03:31)
Mankatelina Z'andry Gasy ah! Mba ho tanteraka anie ny nofinofintsika sy nareo e!
Fa 'zao aloha: 'lay sambo Gasikara
Resy lava soamantsara
Tsy miarina d'efa mitsikasina
atsipin'onjan-dranomasin'
ny fitiavan-tenan'ny mpitondra
ka ny vahoaka no mitondra
ny taolam-be 'zay tsy mitapaka
miady amin'izay ho arapaka,
'lay sambo anefa misy harena
vatosoa, safira, volamena,
ny ririnina he 'ty hafanany
harena, ange, ny toe-tany,
Ny sisin-tany amin'izany
ranomasina avy hatrany,
'zany mbola harena ihany
Fa harena ambonin'ny fahantrany... Mankahery antsika namana e! Mazotoa manoratra!
andry 1000 ( 18/06/2015 03:53)
efa niakatra ny sandam-bola ariary raha ny vaovao omaly noho io M.I.D io ihany..(marché inter- bancaire-de devises)
z'andrygasy ( 18/06/2015 09:06)
Hay ve efa niakatra ny sandan'ny ariary
De hihena tokoa zany ny kilaom-bary
Maninofy koa zany ianao ry ANDRY ARIVO
Zany tsy mampino
Tsy aleo ve matory foana
Am'izay manonofy voky reo noana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1499