ILAY HIRA ('Lay fo hafa kely)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy hira nolokoiko, hokaloiko ho anaosaingy indrisy, fa sompatry ny tany
k’ilay feony aza, zary lasana nandao
fa akon’ny taraina konaina-tomany
Niangaliako mantsy izy izay
nolaroiko sento, aingam-po
nefa indrisy, tsy fantatra fa may
lavenona sisa, tavela an-doha
ireo sentontsika, kiakin’ny tia
izay nandrakotra fahanginana
no zary mozika nohenoina satria
tsisy feo nivoaka…fa gina
Iny ilay hira, izay nohiraintsika
Tanaty fahanginana, samy tia
Nokoboniko an-tratra, tsisy nahay nandika
Sompatry ny tany fa nalia
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Fitiavana