AMPITAPITAO ANY AMINY - NY HERIMAR
Azo vakiana?
AMPITAMPITAO ANY AMINY....
Raha sendra ianao mihaona amin'ilay tiako any
Ireto volanko ireto mba ataovy tonga any aminy:
Tsy izao intsony, hono, ilay ora hahabetsaka tomany
Fa efa ela ihany izay fotoana nilany vaniny.
Teneno izy hoe:"efa voadio, hono, ilay foko
Izay nohosehosenao ka voalotonao fitaka;
Amin'izao, hono, efa lasa tsiky ilay toloko
Ka aza gaga raha maheno ahy mibitaka.
Nanenenako mihitsy, hono, ny fiarahana taminy
Satria ny asasamanilan'ny androko no laniny
Kanefa ny nasetriny izany dia hany dikadika.
Tofoka ny tokampo taminy, hono, ilay voromahilala
Ka lasa izy nifindra toerana no sady niala
Satria ianao ilay tiany sady tsy hendry no mivika."
15/05/2019
01:52
NY HERIMAR
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 06/09/2019
Mpamangy : 141
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana)
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY