AZA AKASIKA AHY (NY HERIMAR)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AKASIKA AHY

Aza akasika ahy fa aoka sakano
Ny fo tia tena
Tia vola sy harena
Fa fo tena tia no hameno ny trano.

Aza akasika ahy fa mba avilio lalana
Ny rendrarendran'ny nofo
Izay mora miofa
Mba ho lao sy ho ringana Ka hanalavi-baravarana.

Aza akasika ahy na dia matsiro aza
Ny fiavonavonana
Manambany ny ankohonana
Ny fo matikambo manao toetran-jaza.

Aza akasika ahy raha azonao atao
Izay ratsy rehetra
Miharo herisetra
Fa ny foko manontolo efa atolotro Anao.

Aza akasika ahy raha misy vahaolana
Ny lainga sy ny fitaka
Fo mora mibitaka
Ity vatako mantsy tsy zatra maizim-bolana.

NY HERIMAR 24/10/2020
22:19'
Maroc
--------
Rohy:
723 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 30/10/2020 23:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144