You are here: home > Vetso

AZA ANDRASANA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

Aza andrasana

Aza andrasana rahapitso
Ny tokony ho vita tanterahina anio
Fa Sao mantsy hasiso
Ilay laoka nisasarana nandaniam-boanio.

Vitao anio ihany
Ny mety hotanterahina tsy vita omaly
Fa sao ho tamy
Ny latsan'ny eritreritra hitondra jaly.

Aza miandry fahagagana
Hampiova ny androany anaty nofinofy
Fa raha mbola fahanandràna
Tsy ho afak'enti-miady amim-pery sy rofy.

Aza andrasana hiova
Ilay fony tena tia vao ianao hahatsapa
Sao efa rava rova
Vao handeha hamoak' entana  f'efa kila lapa.

An'ny Avo ny lahatra
Fa isika rehetra samy manana ny anjarany
Saingy aza vahatra
Ny tsirairay miandraikitra 'zay ho tantarany.

Ny Herimar
06/05/2021
10h30'
CHU Maroc