AZA ASIANA - NY HERIMAR
Azo vakiana?
AZA ASIANA
Aza asiana sento na tomany
ny ora iray handaozako ity tany;
Aza asiana alahelo na ranomaso
mba ho reharehan'ny mpanakaso.
Aza asiana fahatsiarovana
na segondra iray monja aza,
satria ny tany fandalovana
ka tsy tokony hahagaga...
Eny aza asiana hadihady,
Aza asiana famotopotorana;
Aza asiana famaly sy ady
ity vatako kontsan-dranonorana.
Aza asiana kabary sy resa-dava
ity fitiavako may sy kilanao;
Aza asiana hiaka sy tabataba
fa avelao fotsiny amin'izao.
Aza asiana fanafody satria sitrakao
ity foko maratran'ny antsim-pitia;
Eny aza sakanana fa avelao ho izao
ity fitiavako vao tanora mba hiriaria.
Eny...aza asiana fotsiny na dia tsiaro
Ireny fotoana nampisy korana;
Aza tsiahivina sao hifangaro,
Ny lelambaravarana sy ny tolana.
NY HERIMAR
15/08/2017
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 07/09/2019
Mpamangy : 150
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana)
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY