AZA MANAHY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MANAHY...

Aza manahy akia ianao ilay nandrandraiko
fa hoesoriko aminao raha ny fo sy ny saiko,
Ilay fo izay nankatia
ho anao doria.

Aza manahy akia ianao razana-dandy
fa ny finoako ato manantena ny malandy
na niarianao indrisy aza,
hahita 'zay ho sahaza.

Aza manahy fa ny fahasambarana nomaniko,
Hotazomiko hatreto hiandrasana izay mamiko;
Homeko izay mendrika azy fatratra
ilay fitia vao misantatra.

Aza manahy akia raha izay fanajana,
Taminao tokoa aloha ny foko no tamana;
Fa homeko azy ilay tia ahy,
mpampionona fanahy.

Aza manahy fa ny eritreritro fahiny,
Efa niova araka izay nirianao ankehitriny;
Lasa saina sy fo tsy tia herika,
Taninandro fa tsy erika.

Aza manahy ny amin'ilay foko nitsiriritra
sy masoko fahizay izay zatra nipitrapitra
nanjohy anao nangina irery:
Niangavy fa tsy nanery.

Aza manahy f'ilay fararanom-pitiavana
izay nahilikao sy nasetrinao fandavana,
izao efa nahay nionona
na tsy azo ny tolona.

Aza manahy fa na any volana na taona,
Ny dianao mety mbola hisy koa hivaona;
Dia iareto akia izay ngidiny
fa ny anao fidiny.

Aza manahy ianao fa ny saiko sy ny foko,
Mbola ho difin'ny sento sy ho lavitra toloko
izay mameno ahy anio,
Izany no tadidio.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
584 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101