AZA MANARY TOKY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA MANARY TOKY

Aza manary toky fa mbola misy any,
Fararanon-kafaliana hanafaka tomany;
Aza manary toky, ianao mahereza
Fa hanafatra aho fo mafy sy mateza

Ekeko fa mafy ny miseho anio izao,
Tsy misy amin'ny laoniny koa 'zay atao;
Saingy ry sakaiza, aza manary toky
Raha androany manta vary, rapitso mbola hioty.

Ahirato ny maso, jereo ny lanitra,
Ianao tsy irery fa eo Andriamanitra;
Raha misy koa vitako sy azoko atao,
Antsoy aho sakaiza fa eto havanao...

Koa mahereza, aza manary toky,
Ny mosary hisinda, ho avy ny hasotry;
Aza manary toky na mafy aza izao,
Ny tara-pahazavana, mbola homba anao!

NY HERIMAR
03:02 Ora
14/01/2023
--------
Rohy:
461 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119