Aza Tsiny fa... (NY HERIMAR)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza Tsiny fa...

Aza tsiny fa tsy satriko ny hitia,
Aza tsiny fa tsy nahiko akory izao;
Aza tsiny fa ity foko mangia
Te hitory izay tsapany aminao

Aza tsiny fa tsy hoe mivikavika,
Aza tsiny fa mafy ny manjo;
Aza tsiny fa 'reo soratro nadika
Tiko raha tanteraka tokoa.

Aza tsiny fa tao anaty tory
No nanorohako anao mangina,
Aza tsiny fa ity sisin-kamory
Novakian'ity fo be dina...

Aza tsiny raha tsy tianao,
Aza tsiny fa ny afo-pitia
no mandoro sy mamely izao
maniry ny hiara-dia.

Aza tsiny fa hotiaviko anaty,
Aza tsiny raha hitia hatrany;
Aza tsiny fa ho mandramaty
no hitiavako anao eto an-tany.

NY H.14/09/2019
Maroc
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
916 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 14/09/2019 08:23
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178