FA NY TENY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA NY TENY...

Raha ny teny,
Tiko ho fantatrao ny lanja sy ny fetrany;
Raha ny teny...
Tsy azo fantarina mialoha 'zay mety hapetrany.
Raha ny teny,
Mahavita mampisy sy mandrava izao rehetra izao;
Raha ny teny...
Tsy menatra mamadika sy manitsoka anao.
Fa ny teny,
Indraindray raha tsy ambina miteraka loza;
Fa ny teny...
Ahalalana ny marina tsy mitavozavoza.
Fa ny teny ihany koa,
Mampitony ny alahelo sy manala sorisory;
Fa ny teny ihany koa...
Manentana ny ao anaty, mankahery ny ory.
Fa ny teny ihany koa,
Mahamirana ny fo sy mandravo ny fanahy;
Fa ny teny ihany koa
Mandresy tebiteby sy manafaka ahiahy.
Fa ny teny ihany koa...
Mamelona ny fanahy, mampikambana ny Fo,
Fa ny teny ihany koa...
Mitazona ny rohim-pihavanana mba tsy hoa toa.
Fa ny teny koa anefa,
Mampisara-bazana sy mampiady mpifankatia;
Fa ny teny ihany koa...
Raha mb`y isan'andro,mandreraka sy mankahia.
Fa ny teny...
Loharanon'anatra sy igoham-pahendrena;
Fa ny teny koa...
Feno toromarika sy fanabeazana sesehena.
Fa ny teny:
Ao ireo mamy, ny mangidy tsy mahate hihaino;
Fa raha ny teny...
Atsipiazo ireo ratsy fa ny mahasoa no iaino.
Fa ny teny koa anefa,
Misy mandratra fo, manindrona sy mampiferinaina;
Fa ny teny ihany koa...
Misy vokatry ny natao ka tsy afa-iala-maina.

NY HERIMAR
07/02/2016
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - fiainana
451 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151