You are here: home > Vetso

FANAMBIN'NY FO VONONA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

FANAMBIN'NY FO VONONA

Hitady ny very
Sao ho hita ihany;
Saingy tsy voatery
Ho tanteraka izany.

Ny ahy faniriana,
Ny Avo no mpanapaka ;
Ny ra mikoriana,
Mbola mety ho tapaka.

Hotadiaviko ihany
Sao mba hohita;
Ny sento sy tomany,
Mbola ho vita.

Tsy misy izay tsy mafy
Fa lemen'ny zoto;
Dia mahaiza mihafy
F'aza mirotoroto.

Hotadiaviko hatrany,
iny hasambarana iny ;
Hovaiko androany,
ny tantaran'ny fahiny.

NY H. 12/09/2019
00:51'

Sokajy : Fampaherezana