FANTATRAO VE? (NY HERIMAR)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTATRAO VE...

Fa izay rehetra nataonao:
Manidina toy ny valala;
Na soa ny fihetsikao,
Tsy hotsaroan'ny tsy mahalala.

Fa ny soa nomenao azy,
Rivo-mihelina ihany;
Raisiny ho vazivazy,
Rano raraka an-tany.

Nefa tsarovy ralandikely,
Ralandy saro-tiavina;
Hatrizao dia mbola miely
fa ny tany saro-diavina.

Tsy ianao no ratsy akory
Fa izany no lalàn'ny tany;
Ka izaho no tsy lany ory,
dia noho ny sentoko ihany.

NY HERIMAR
Janoary 2016
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h/fantatrao-ve
Sokajy : fiainana
340 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2654