FEON'NY MANINA - NY HERIMAR
Azo vakiana?
FEON'NY MANINA
Raha haiko angamba namindra ambony rano,
Tanio ihany aho no nitsidika tany;
Raha elanelan-kely mba vita lomano,
Tonga izao aho dia hamangy ny akany.
Indrisy ravola tsy am-pelantanana
Ka na te hody aza moa mihafy ihany;
Na manina mafy an'reo hava-namana
Tsy afa-manohatra halaviran-tany.
Isan'andro ny saina tsy tafandrimandry,
Manembona an'i dada sy neniko izay;
Fa tsisy azo atao ankoatry ny miandry,
Iaretana hatrany na dia mahamaivay.
Ry Ray Ambony Mpiahy anay iny,
Mba alao embona ity mpaniasia;
Mba afaho hetaheta re ity mpivahiny,
Miankavia sy miankavanana mba hitadia.
Ny Herimar
25/04/2021
00:33'
Maroc
Sokajy :
Aingam-panahy, embona, Fahantrana, Fahatsiarovana, fiainana, Fianakaviana, Fitiavana, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 25/04/2021
Mpamangy : 346
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY ZANAKO VAVYMISY FARANY
ANA-JOKY
Mpianaka MATIM-BONINAHITRA
TE HO POETA AHO
TSIKY SY TOMANY
TSY MAINTSY MANAIKY
Ho AN'I DADA MALALAKO
Moa ve misy?
TALAHO FARANY