FITIAVAN'OLON-DROA HOE? (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?

Mahalasa saina ny mieritreritra azy,
Fitiavan'olon-droa manomboka mamelana;
Tsy mbola tena matotra, miharo vazivazy,
Raha ny fisarahana? Tsy azo ferana.

Mitana fifandraisana? Tena tsy mora,
Ny maso amin'izany te hitompy any an-kafa;
Toa rava vetivety ilay aina sy akora
nandrafitra azy ity ka mihavoafafa.

Lasa kivikivy tsy mahateny irery
izato tovovavy manja sy bikana;
Mihevitra ny tenany fa tena very
satria ilay malalany indrisy tsy tana.

Ity tovolahy mihevi-tenany bôgôsy
Tsy mivaky loha mantsy fa efa afapo;
Nahita tsaratsara Ka hikaotikaoty,
F'ilay fitiavany fahiny efa nataony lo.

Dia izay ilay fitiavana tsy vita mariazy,
Maro rendrarendra miharo vazivazy;
Samy manao ny tiany sy tsapany fa mety,
Saingy tsy izany ny fitiavanay poety.

NY HERIMAR
15/06/2020
19:42'
--------
Rohy:
1129 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 27/10/2020 09:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145