HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana) - NY HERIMAR
Azo vakiana?
HAFA-DRAHALAHY
Ny omaly lehitsy tsy azo hadinoina,
Fa iaino ny androany hibanjinana ny ho avy;
Ny aina latsaka tsy azonao soloina,
Ny mamerin-kadisoana lehitsy ataovy fady.
Mety kotrobaratra ny omaly sy anio
kanefa izany tsy atao hahaketraka;
Na hiakatra ny rivotra hamoron-tadio,
Mijoroa rahalahy, aza mipetrapetraka.
Ny olona mety hanao tsinontsinona
Fa ny tsara amin'ialahy tsy azo fafana;
Raha fanaratsiana tsy atao hampaninona,
Tsy tazomina ny tsy tia rehefa tsy tamana.
Ny valifaty indray aza omena toerana,
Ny lolompo koa tsy akasika vatana;
Ireo ana-draiamandreny asio fiheverana
Fa ny olomahitsy miaina tsisy sakana.
Ireo namana koa tena safidio tsara,
Ialao ireo ratsy, tsy andaniam-potoana;
Omano ny ho avy, farito izay ho anjara,
Ny sakaiza manody no tena zava-poana.
NY HERIMAR
16/08/2020
Fès
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : herimar
Daty : 18/08/2020
Mpamangy : 153
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY
HAVAOZIKO ILAY VOADY