HAFATRO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRO

Haiko ny lalanao fa hizotra hankany aminy,
Hifanena na tsy ho faingana amin'ilay olon-tiako
Koa aza ampahafantarina ho henon'ny akaniny
Izao ady trehiko sy izao fijaliako.

Raha sendra izy manontany momba ahy,
Teny tsotra fotsiny no avalio azy any;
Ilay nilaozanao, hono, salama tsy manahy,
Miezaka misedra 'reo somparan'ny tany.

Aza lazaina azy ihany koa ny fonenako
Raha tonga amin'izany indray koa ny resaka;
F' izaho latsa-pitia, hono, tsy nanenenako
Eny, miandry fandresena na anio aza ketraka.

Teneno koa izy hoe ilay diarinay,
Efa nohalaviriko tsy nampiasako saina;
Omaly hariva izany no nodorako ka may,
Tsy tiako hotehirizina fa manimba aina.

Izao ranomasoko, aza aseho azy akory,
Dia torak' izany koa ny ondako kontsa;
Aza ambara azy hoe izaho tsy azon-tory
Satria tsy tiako ho henony izao foko feno ontsa.

Koa izay no hafatrafatro ka dia tongava soa
any amin'ny tany izay hihaonanareo,
Mahaiza hoe mamindra fa tsy mora izany voa,
Tsy ho zakany mantsy izato toreo.

NY HERIMAR
22/05/2019
11:07"
--------
Rohy:
462 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146