HANORATRA FOANA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANORATRA FOANA

Hosoratako hatrany ireo bitsiky ny fo,
Hosoratako hatrany ho lovan'ireo taranaka;
Na tsy hisy mpamaky, ny asa soratra ho lo
dia hanoratra foana aho raha mbola tsy valaka.

Na maro ireo romotra amin'ny rediredin-tsaina,
Hanoratra foana aho hitady izay tsara,
Hanoratra foana ho an'ireo mitaraina,
Hankahery azy ireo izay difin'ny anjara.

Hanoratra foana aho ho an'ireo malahelo
nohon'ny anga-piainana somary mitongilana;
Hanoratra foana aho ho tsiambaratelo,
Hampitsikitsiky fo maratra sy sahirana.

Hanoratra foana aho sao ihany mba hiatefa
amin'ireo mpitondra ny tatitr'ireo vahoaka;
Hanoratra foana dieny mbola tsisy fetra
ireo hatezerana ao aminy fa raha feno mety hipoaka.

Hanoratra foana aho hampisy dinidinika
amin'isan'antoko ireo nofy izay narafitro;
Ary hanoratra foana hisolo ireo madinika
mba hahazoany izay anjarany na hatreny ambany kitro.

NY H.
25/07/2019
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - fanantenana
546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148