HAVAOZIKO ILAY VOADY - NY HERIMAR
Azo vakiana?
HAVAOZIKO ILAY VOADY
Ifonako malala ireo vitako hatrizay,
Ny nampirafesako anao tany an-kafa;
Diso ankehitriny, mifona fa fay,
Manenjika ny saiko 'reo nenina sy latsa.
Noheveriko tokoa fa hahasolo anao
Ilay tsara firafitra hitako omaly,
Kanefa tsy ela dia iny nandao,
Namela fery sy nampitondra jaly.
Nodiako tsy hita ilay hatsaranao
Tsy ananan'ny maro fa anao irery;
Feno fandeferana, tsy be raorao,
Izaho tsy anao, tsapako fa very.
Eto anatrehan'ny tany aman-danitra
no anavaozako indray izao voady izao:
Ny fitiavako malala tsy maintsy haharitra,
Hataoko sarobidy...tsy ho kilalao!
NY HERIMAR
13/08/2020
Fès.
Mombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 14/08/2020
Mpamangy : 567
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
HO AN'I DOXTARATASY HO AN-JANAKO
RY ZANAKO VAVY
MISY FARANY
ANA-JOKY
Mpianaka MATIM-BONINAHITRA
TE HO POETA AHO
TSIKY SY TOMANY
TSY MAINTSY MANAIKY
Ho AN'I DADA MALALAKO