HO ANAO RY NENY MALALA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO RY NENY MALALA,

Any ianao ry Neny ilay malalako tsy foiko,
Ilay tokako eto an-tany, ilay tsy afaka soloiko;
Mamiko re ianao ka tsy azoko atakalo
Mbola vonona aho hitia, tsy hieritreritra himalo.

Ianao ilay nikolo sy nitondra folo volana,
Mpankahery ihany koa fony aho nanan'olana;
Nibaby hatraiza hatraiza na alina na andro,
Ianao ilay reny niteraka, ilay nahitako masoandro.

Ianao ilay fatsakana, loharano niandohako,
Ilay nikely soroka sy niaritra ny fahadalako;
Ianao ilay mpanambitamby sy mpanome fifaliana,
Tsy namela ahy ho irery tao anaty fahakiviana.

Raha toa ka tsisy anao izaho dia tena tsy noary,
Mbola nokarakarainao koa izaho raha narary;
Ka ny fiainako tontolo nanehoanao finiavana,
Manginy fotsiny amin'izany raha ny lafiny fitiavana.

Ianao namolavola ahy tao an-tranon-draiko,
Ka ireny anatrao tsy hovimbiniko fa hobataiko;
Hilomanosako izy ireny mandritra ny androko tontolo,
Fa ianao ilay ela nihetezana ka lava volo.

Fantatro ianao ry Neniko fa tena mirovirovy
Saingy hotiaviko ho doria, ka izany no tsarovy;
Fantatro ianao fa tsy toy ny renin'ny rehetra,
Tsy ho menatra anefa aho, izany no ho tarigetra.

Koa mahereza ry Neny fa mbola ho tafarina,
Aza kivy na ketraka amin'ny fanaovana ny marina;
Fa ianao no olon-tsambatra, eny na dia tsy manana
Satria mazava fo ary koa mahitsy tanana.

Tso-draniko ry Neny: mahalavà andro iainana,
Ho lavitry ny ankaso sy ny ora fanaintainana;
Hiantitra amin-jafy sy amin-janaka hendry,
Hitsiky aminao anie ny vintana sy tendry.

NY HERIMAR
24/05/2019
14:34’
--------
Rohy:
608 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 06/09/2019 14:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145