You are here: home > Vetso

IANAO MANTSY - NY HERIMAR

Azo vakiana?

IANAO MANTSY

Malalako ianao, safidy tena tiako,
Na inona hitranga, onjaonjan-ditra?
Hanariko ho vao, tsy handeha hariako,
Hotolorako hatrany fitia tsy mety ritra.

Efa tia aho, hiaritra na mafy,
Tsy avelako ho levona ilay nofinofinao;
Ny fakampanahy, saritsarin-gafy,
Tsy avelako hanjaka, roahiko handao.

Ny masonao mitopy, ny fonao mitempo,
Mamelona fanahy, isika miara-dia;
Hadinoko ny lasa, toreo, sy 'reo sento
Fa tazako eto mantsy, ilay FO tena fitia.

NY H.

Hametraka hevitra

Midira aloha