ILAY HASAROTAM-PIARONY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY HASAROTAM-PIARONY

Tsy mba nampahantrako fitia izy iny
Fa tsy tana fotsiny noho ny hasarotam-piaro;
Tsy tsapany, tsy tsaroany ilay tena fin'
ilay fitia madio tsy nasiako fangaro.

Tsy natoky ahy, hono, izy ka lasa nitsoaka,
Lasa nandositra an'ity akanim-pitiavako;
Indrisy ity foko toa tsy mety tafavoaka
ka manomboka anio ilay antsoina hoe gadrako.

Tiany, hono, aho hoy ny hasarotam-piarony
ka aleony miahiahy na tsy mahita maso;
Dia izaho nanantena nahitany takalony,
Saingy hionona ny tena fa ny tany be ankaso.

Fofon-dranomanitra sendra mba nanaraka,
efa nananganany ady tsy azo nalamina;
Dia tsy nisy naverimberiny ankoatry ny hisaraka,
Resin'ny eritreritra ny zavatra marina.

Tiany, hono, aho saingy naleony nilaozana
satria tsy zakan'ny fony ilay aho sariaka;
Kanefa izy no miantso ity rafy tsy tazana,
Miafim-pahavalo amim-bolam-baliaka.

Raha handeha anefa izy, aho tsy hitana
fa omeko azy indrindra ny amboaran-tsafidy;
Avelako mihitsy izy raha toa tsy tamana,
Angamba leon'ny mamy ka hitady ny mangidy.

NY HERIMAR
26/06/2019
00:55'
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Fitiavana
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143