You are here: home > Vetso

ILAY ONDAKO NIONDANANAO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

ILAY ONDANA NIONDANANAO

Lavitra ny toerana fa ny saiko tsy manahy
Na tsy anilako aza ianao namela mamy ho ahy;
Adala ve ity fo sa ny fitia no mitroatra?
Fa ianao iny mantsy ka tena iriko loatra.

Izay pintsopintsony momba anao,
Tiako ho hita avokoa;
Eny hatramin'ny alokao
Tsy tiako hitsahana kisoa.

Misitery amiko amin'izao,
Tsy mazava fa manjavozavo;
F'ilay ondako niondananao,
Vao ampiasaiko dia maharavo.

Ilay ondako niondananao,
Tsy foiko hosasana akory;
F'ilay fofom-bolonao,
Tena mampahita tory.

Ilay ondako niondananao,
Tsy tiako ho tota vetivety;
Ataoko ho solon-toeranao,
Amin'ny andro sarotra sy fety.

Ilay ondako niondananao,
Orohako fony aho mahatsiaro;
Ny safidiko mantsy dia ianao,
Na ny meva aza tena maro.

NY H.29/12/2019
Maroc

Sokajy : embona, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha