You are here: home > Vetso

INY MALALAKO INY - NY HERIMAR

INY MALALAKO INY

Tsy toy ny malalan'ny olon-drehetra,
Tsy toy ny an'ny hafa izay dongadonga;
Fa ny fitiavako azy tsy asiako fetra,
Tsy mba mety maty fa toa mirongaronga.

Fa iny malalako iny na ratsy na tsara,
Tsy hosoloiko velively na hitadiavako hafa;
Iriko izy fatratra ho ahy mba ho anjara,
Ato am-poko mandramaty fa tsy ho voafafa.

Fa iny malalako iny na ho kilemaina,
Ho sakambiniko foana  mivoaka ny trano;
Raha ny voadinay ho fetra ny aina
Ka hiainana marina fa tsy anganoangano.

Fa iny malalako iny na mahantra kely,
Andro ho avy mbola hampisambarako;
Ilay ngidy nogohany hovaiko tantely,
Hafoiko azy daholo ny eo am-pelantanako.

Fa iny malalako iny na dia lavitra any,
Hotiaviko mangina, hohajaiko fatratra;
Tsy hataoko olana raha elanelan-tany,
Fa izy no niainako fitia vao nisantatra.

Fa iny malalako iny na be alahelo,
Mbola hotolorako firavoravoana;
Hofahanako isan'andro tsy latsaky ny telo,
Ka hovokisako fitia fa tsy havelako ho noana.

Fa iny malalako iny alohan'ny mariazy,
Ny loton'ny nofo tsy hakasiko azy;
Ny anay matotra fa tsy vazivazy,
Ka hanaja ny fahadiovana mba tsy ho voasazy.

NY HERIMAR 02/04/2019 01:45'
Maroc

Sokajy : Fitiavana, Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha