You are here: home > Vetso

IO FITIAVANA IO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

IO FITIAVANA IO

Io fitiavana io mahagagagaga ihany,
Mampisy ny tsy àry, mamorona ny tsisy;
Io fitiavana io tsy takatrao izany,
Mandatsaka Tomany, mamelona tsiky.

Io fitiavana io mila anao mikolo,
Mila olon-droa tsy miantsara velatsihy,
Io fitiavana io mety ho lasa mololo,
Toy ny akanjo kontsa an-tavan'ny mpandihy.

Io fitiavana io mety maty, mety velona,
Miankina ihany aminao iantefany;
Ny vatana sy taolana aza zary lavenona
Moa va izay fasana ivelan'ny tany?

Io fitiavana io mety tsy tamana
Rehefa leo fitaka sy lainga tsara tototra;
Io fitiavana io koa dia fankahalana
Rehefa tojo fitia...ratsy fototra.

NY HERIMAR
Maroc
04/08/2020
18:30"

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha