You are here: home > Vetso

MAHEREZA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

"MAHEREZA"

Raha sendra midona ny oram-panala,
Aza tomany ho'aho izato rahalahy;
Fa ny rivo-mahery mpamefika ny ala:
Tsy maintsy hitsahatra f'aza manahy.

Ny hain'andro an-dohataona
hodimbiasan'ny kotroka fahavaratra.
Ary ny dianao izay nisy nivaona
Ho zary lesona sy ho fitaratra.

Mba soa tokoa ho lavo hahay hiarina
Amin'ity fiainana malama maina;
Mba soa  hitady hahita ny marina
Fa tokoa hay sarobidy ny aina.

Koa na inon-kidona na inon-kihatra,
Dia mijoroa foana izato toe-panahy.
Mianara mitia, mianara mizatra
Amin'ity fiainana manakalahy!

NY HERIMAR 24/10/16

Sokajy : Fampaherezana

Hametraka hevitra

Midira aloha