You are here: home > Vetso

MANIRY VOLANA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

MANIRY VOLANA

Ny anjara tokoa mety ho voatendry,
Saingy ny safidy manamafy ny lahatra;
Na iza na iza voalaza ho olon-kendry,
Rehefa sendra vato tsy maintsy mitsahatra.

Tsy misy zazakely in-droa main-dabozia,
Raha izany no manin-telo, tangeno odiloha;
Raha ianao vonon-kiady sy vonon-kitadia,
Aza miandry kananavo handeha hifoha.

Fa izay irin'ny fo tsy voatery ho tsara koa,
Ny safidinao tsy mianteha-amin'ny hafa;
Ny voatsinampy aza indraindray tsy mamoa,
Ny ho avy no banjino, hadinoy re ny lasa.

Ny Herimar
27/03/2021
00:33'
Fès