MPANDOTO RANO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANDOTO RANO...

Olombelona tsy misaina,
Olombelona tsy manjary;
Tsy ho leonao ny taraina
Sy ny todin-janahary.

Mpamorona ny tsy misy,
Mpilaza ny tsy hita;
Enga anie ka ho sify,
Enga anie tsy ho tafita.

Ianao mpampiady olona,
Ho sendra ny tsy mety;
Ho aminao ny alo-borona
Na tsy ho vetivety.

Ianao ilay mpialona,
Tsy ho tafa velively;
Ny natombokao hivalona
Hangidy ny tantely.

Tsy manozona akory
Fa ny tsiny manan-tody;
Ho leo zava-boribory
Ianareo mpilalao ody.

Ny tody no misy
Valin'ny natao;
Ary tena tsy ho dify
Ireo hasasaranao.

Ry mpandoto rano:
Ovay ny famindra;
Sao hahita angano,
Ka ho loza indrindra.

NY H.
02/08/2019
23:23'
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - fananarana
484 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142