MPANDRESY IANAO (NY HERIMAR)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANDRESY IANAO.Ho an'i Elodie JR,
Manantena aho fa vatana tomady
no mandray sy mamaky ity taratasy ity;
Mino ihany koa fa fo lavitr'ady
no bitsika reko manakoako aty.
Tsy lava resaka aho fa hahitsy hatrany,
Hanazava aminao izay tebitebin-tsaina;
Mpandresy ianao na sendra tomany,
Atreho mangina f'aza mitaraina.
Ny tahotra esory fa mpanimba ny hoavinao,
Fo vonon-kiova no ataovy ao an-tsaina;
Vitanao io na dia zava-baovao,
Mandehana re rahavako f'aza malaina.
Ny tahotra faharesena tsy omena laka,
Ny retsy tsy miady fadio dia fadio;
Izay tsy manandrana ange no voambaka,
Ary ianao mpandresy, izay no tadidio!
Jereo ange ny rano, jereo fa malemy
kanefa izy io mahatapaka tetezana;
Ny saina mpandresy no hany mba hareny,
Ary dia mahomby, tsy azo imehezana.
Manàna fahatokiana, manàna herimpo,
Raha ireo no mitoetra, ianao olon-tsambatra;
Ary ianao dia mpandresy, olon'afaka tokoa,
Olona feno, manam-po tsy miangatra.
Ny fanapahankevitra iray ihany koa,
Iankinan'ny ho avy sy ny rahampitsonao;
Sahia ianao mijoro, aborahy avokoa
Fa mety ho tsara izay miafina ao.
Averiko ihany, averiko foana,
Olon'afaka ianao, tena olo-mpandresy;
Hovitanao aza ny hampiteny ny moana,
Satria ianao dia vanona, olon-tsara tefy.
Ireo talenta maro sy fahaizana anananao,
Maro mpaniry f'aza apetrapetraka;
Raha toa ka manjombona ny lanitrao,
Tsarovy ireo teniko, ianao aza ketraka.
Izay fa veloma, manantena anao
fa hampiova loko, hanova ny tantara;
Ny rahampitso io dia dingana vaovao,
Ary vitanao ny mamaritra izay ho anjara.
Mandrampihaona,
NY HERIMAR
28/03/2020
Maroc
--------
Rohy: