You are here: home > Vetso

NITIA VATO AHO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

NITIA VATO AHO

Nitia vato aho
ka sendra izay mafy,
Sendra zava-boary tsy manam-po akory.
Tonga nitalaho,
Nandeha nihafihafy
Hay nangata-bonjy tamin'osy resin-tory.

Nitia vato aho
kanefa atody ihany,
Nitady mpisompatra ny fiainam-pitia;
Resy ka ivavaho,
Migoka ny tomany
Sendra fo tsy mangoraka efa very dia.

NY H.17/10/2019
15:26'
Maroc

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha