NOFY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY

Ny nofiko mihalohalo
any lavitra any,
Fa tsy hitan'ny mpandalo
ilay foko mitomany.

Ny nofiko mirenireny
eny amin'ny volana,
Tsy mampiteniteny
fa miteraka olana.

Ny nofiko mitanisa
'reny kintana alinkisa,
Toa sahirankirana,
Nefa miramira...

Ny nofikomirediredy
iny masoandro iny,
arahin-tebiteby
iny faniriany iny.

Ny nofiko mamisavisa
Irony rivotra irony,
Ny alahelo tsy voatanisa,
ny sento tsy mitony.

NY HERIMAR 27/12/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
429 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 09/09/2019 12:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.052