You are here: home > Vetso

NY ETO AN-TANY - NY HERIMAR

NY ETO AN-TANY

Fa ny eto an-tany
tsy tokony hahagaga,
Fa tsiky na tomany
no mifandimby lava.

Fa ny eto an-tany
Mila anao miady;
Ny ho resy izany,
Tena ataovy fady.

Fa ny eto an-tany
dia aretina sy faty
no miranirany
Matetika tsy tanty.

Fa ny eto an-tany
Tsy ialana olana,
Maro tsy ho lany
Fa aza atahorana.

Fa ny eto an-tany
Tsy tokony hahagaga,
Fa tsiky sy tomany,
Dia ireo lalandava...

NY Herimar
08/04/2020
Fès Maroc

Sokajy : Fankaherezana

Hametraka hevitra

Midira aloha