You are here: home > Vetso

NY LASA - NY HERIMAR

NY LASA
Fa maninona ho'aho 'zany havako 'zany
no manganohano sy te hitomany?
Sa mahatsiaro ny lasa dia ketraketraka
Ka ankehitriny no toa vitsy resaka…

Aza atodika ny lasa ny fitadidiana
fa mitondra alahelo ary koa hakivina;
Ny tantaran'ny omaly avelao any
fa hiteraka loza sy hampitomany

Raha jerenao ange ny fiainana an-tany
Toa feno haizim-pito tsy lanilany
Izay rehetra aleha mandiso fiheverana
na ny olona akaiky aza tsisy fitserana

Koa mahereza izany havako izany
fa izany mihitsy no lalàn'ny tany
Ka aza aseho ny lasa izany fisainana
mba tsy hanalokaloka ny fanaintainana

NY HERYMARO

Sokajy : fiainana