NY TENA NAMANA - NY HERIMAR
Azo vakiana?
NY TENA NAMANA
Fa ny tena namana lehiretsy:
mamonjy foana amin'ny sarotra,
lavitr'azy raha ny hevi-petsy
mahay miaina tsy be adivarotra
Fa ny tena namana ho aho:
tsy miandry dera avy aminao,
Tsy mangataka anao hitalaho
Vao hahalala ny tokony hatao
Fa ny tena namana ry zareo:
tsy mijery tava na harena,
Manampy raha misy toreo
Miasa fa tsy mihenahena
Fa ny tena namana ry olona:
miaro anao amin'ny fahavalo
ka na mora na mafy ny tolona
vonona foana tsy mimalo
Fa ny tena namana ry sakaiza:
tsy manantena tambiny aminao
mahafoy foana hatraiza hatraiza
ary eo foana tsy handao
Fa ny tena namana razoky :
tsy mpitaribato mivilam-bava
fa olona tena mahatoky
sy ho marina lalandava.
Fa ny tena namana Ragasy:
Misahirana ireo mahonena,
am-po madio tsy mihasihasy
no hankahalany ny fitiavan-tena.
NY HERIMAR 21/02/19
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 12/09/2019
Mpamangy : 396
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana)
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY