You are here: home > Vetso

Ny VEHIVAVY VE? - NY HERIMAR

Azo vakiana?

NY VEHIVAVY VE?

Lazain'ny Ntaolo fa fanaka malemy
Kanefa izay azony milavo sy manjeny;
Vehivavy manahirana saro-takarina,
Im-pito solafaka fa mbola miarina.

Ekeko tokoa fa loharano nahatafita,
Sy Haingon'ny Voary fitaratra vita
Kanefa mihitsy saka mamony hoho,
Milaza tsisy tsiny mandripaka akoho.

Efa maro ny fay hatramin'i Samsôna,
Ilay natanjadahy voatery nisaona;
Ny fitiavam-behivavy manimba gaona,
Manimba ny ho avy, mahavery diplaoma.

Ao ireo vehivavy tsy misy ilavana azy,
Mampirafy maro, mpamitaka vady;
Kanefa tsy voatery fa mba misy ihany
Vehivavy tena hendry reharehan'ny tany.

NY HERIMAR
08/03/2021
13:22'
Morocco