You are here: home > Vetso

PREZIOZIMANTA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

PREZIOZIMANTA

Na ho latsaka mbamin'ny volana,
Na haniry nify mbamin'ny akoho;
Ho reraka fotsiny ianareo...

Tsy ny fahangiran'ny rano
No hamaritana izay fahadiovany;
Lalina ny marina...

Tsy ny fijoalajoalan'ny mangahazo
No hilazanao azy fa vokatra;
Ny vato tsy milomano...

Tsy ny tsiky izay asehony
No manambara ny hasambarany;
Ny ratram-po tsy hainao...

Santionany fotsiny ireo,
Hoentiko mampita ny fomba fijeriko;
Mazava ny teniko, aoka re zareo,
Ajanony ny tsikera mandratra ny feriko.

Ny fisainanareo tsy ho fihevitro akory,
Ny lasako moa tsy hainareo raha teo;
Zebra manaitra liona matory,
Leon'ny miaina ka manantso toreo.

NY H.29/02/2020.
Fès_Maroc

Hametraka hevitra

Midira aloha