REHEFA HO TSAPANAO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HO TSAPANAO

Nidelira izy fa tsy noraharahianao,
Nitia anao fatratra, nojerena tamin'izao;
Ilay fony nankafy, natositosikao,
Ilay fony tena tia, norovitivitinao.

Nitalaho izy fa nataonao ho adala,
Fampirafesana aza no nasetrinao izany;
Niangavy izy, ninia tsy nahalala,
Niaretany avokoa ny toloko sy tomany.

Izao anefa:

Rehefa ho tsapanao ilay tena fitiavany,
Anjaranao indray miaina ny n'lalovany;
Anjaranao indray miaina ny fandavany
Kanefa tsarovy f'izany tsy ho lozany.

Rehefa ho tsapanao fa izy ilay tokana
nitia tamin'ny fo tsy niharo fitaka;
Amin'izany ianao ho babo, ny fo tena hiompana
Saingy efa tara, izy efa nisitaka.

Ny saina manadino, vao mainka ve ny fo?
Raha tsy hainao, anio tadidio
fa fasana izy io, mpandevina sy mpandò
Ka mandehana matoria, ny saina atonio.

NY HERIMAR 17/03/2020
FÈS MAROC
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171