You are here: home > Vetso

RY GASIKARAKO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

RY GASIKARAKO

Tena tsy hitony ny saiko
ary hiloatra foana ny ato anatiko
raha tsy dify izao mahazo anao...
Fa ny mampisandrahaka ny ahiahiko
dia noho ianao ihany ry taniko.
Na osa ny sandry sy vatako,
Hiady ho anao foana ny saiko;
Raha ilaina ny nofo aman-drako,
Eny hafoiko mbamin'ny aiko.

Satria izaho no mitafy tsara
dia noho ianao ry Gasikara!

NY HERIMAR

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha