You are here: home > Vetso

RY TANORA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

RY TANORA

Tanora aho, tanora ianao,
Ny ataontsika anio ianteheran'ny ho avy;
Tsy tara isika raha hiova anio izao,
Ny rahampitso lava, ataovy zava-pady.

Ilay teny malaza hoe ho avim-pirenena,
Hijanona ho nofy raha tsy ampiana ezaka;
Kanefa izay kamo tsy azonao terena
Sao samy ho lao anivon-dalan-dezaka.

Kanefa tsarovy ry namako tanora,
Fa isika izao anie no akora tena ilaina;
Ny fampandrosoana ekena fa tsy mora,
Kanefa andao hijoro, hiasa tsy halaina.

Ireo rendrarendra ho tratrantsika ihany,
Andeha ary isika hitady izay hahasoa;
Mandalo anie sakaiza ity fiainana an-tany,
Ny fahavoazanao omaly tsy tokony hanindroa!

NY HERIMAR
12/08/2020
Fès

Hametraka hevitra

Midira aloha