SARO-PATARINA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARO-PATARINA

Fa ny tendry anie ka tsy azo fantarina
Ny tsara famindra mety mbola hivarina ;
Koa andeha ary isika tsy ho be fanahiana
Fa ny Avo ao ambony dia mahavariana.

Tsy takatrao akory izay tiany hatao
Handaharany miafina izao rehetra izao;
Ny vintana antony tsy hay hamaivanina
Mpanankorotana ny anjara tsy hilamina.

NY HERIMAR
12/07/2019
19: 23'
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
443 1
Mpakafy: Herimar
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145