TANDROVY IREO LOHARANO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANDROVY IREO LOHARANO.

Hafatra ho anareo akaiky ray aman-dreny,
Hafatra ho antsika mbola manana azy ireny;
Hajao sy ankatoavy ireo anatra omeny,
Aza befamaliana rehefa izy miteny.

Rehefa ianao irery na koa mitokan-trano,
Hotsapanao tokoa ny herin'izany loharano;
Raha miakatra ny ony, ianao hanganohano,
Fa nanao tsinontsinona ireo mpampianatra lomano.

Matoa izy ireny tsy sasa-mananatra,
Tiany raha ianao no ho zary fitaratra;
Ny fahendrena omeny anie ka solon-karatra,
Solona havozo ho enti-miady amim-baratra.

Izy ireo no lopy nahitana masoadro,
I Neny nikolo, nikojakoja sy nampandro;
I Dada velon-dinitra miasa foana isan'andro,
Tsy misy fiatoana mandritry ny herinandro.

Tsy misy sarobidy noho ireo loharano
ka aza avela irery fa tantantantano;
Raha sanatria ka fefika, tohatohano,
Raa lavitra anao kosa tazatazano.

Satria izy ireny no angady nananana,
Tsy nikely soroka fa dia niompa-tanana;
Mendrika azy ireo ny atao lohalaharana,
Aoka isika mba hahitsy fa tsy hisy hitsivalana.

NY H.
24/07/209
--------
Rohy:
372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0697