TANY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANY

Ilay tranobe iombonana,
Ilay tany havanay;
Iraisan'iray ankohonana
Eny, fianteheranay!

Tany:
Iriariavan'ny velona,
Itsilanesany koa raha maty;
Ary mpanompo ny olombelona
no mpanome azy vatsy.

Fitoeran'ireo manan'aina,
Tany tsy mahay mitaraina;
Tany ilay tsisy mpanana,
Tany mpanovona fanana.

Tany ilay ivo mpamelona
Ihandronan'ny ratsy sy soa,
Fa tsy tsapan'ny olombelona
Ny hatsarany tsy manam-paharoa.

Tany:
Mpitahiry ny taolan-drazana
no koa andrin'ny firenena;
Indrisy anefa mihangazana
ity nofony mampahonena.

Fa mba zovy tompon'antoka
amin'ny fahasimban'ny tany?
Ary iza no vonon-kiantoka
amin'ny fanarenana izany?

Tsy iza hoy izaho ry havana
na ny mpanimba na ny mpanarina,
Fa isika mpiray tanindrazana
no hanandratra azy mba hiarina.

13/02/2016
NY HERIMAR
--------
Rohy:
421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114