You are here: home > Vetso

TEBITEBY TSY FANTA-PIAVIANA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

TEBITEBY TSY FANTA-PIAVIANA

Tebiteby tsy fanta-piaviana
Mandrebireby ny fanahy;
Tsy hay marina izay ahiana,
Mamelombelona ahiahy.

Tebiteby tsy fanta-piaviana
Mampanelo-tena samirery;
Tsinontsinona mahavariana,
Hain'andro mahela fery.

Tebiteby tsy fanta-piaviana
Ahatsiarova-ny lasa fhiny;
Mpizaika lavitr'olon-tiana,
Isan'andro mihevona in-dimy.

Tebiteby tsy fanta-piaviana
Manome rariny ny toreo;
Lalan-tsisy fiviliana,
na ilaina aza mankaleo.

Tebiteby tsy fanta-piaviana
Mampanonofy ratsy ao an-tsaina;
Alahelo tonga tsy nahiana,
Mihatra mafy aman'aina.

NY H.16/11/2019
18:39'
Maroc

Sokajy : Ahiahy, embona

Hametraka hevitra

Midira aloha