TENA FENO NY FITIAVANAO - NY HERIMAR
Azo vakiana?
TENA FENO NY FITIAVANAO
Fotoana maro tsy voaisa
no nibanjinako mafy anao;
Ankehitriny analinkisa
Raha ny akom-pitiavanao.
Nasehonao tamin'ny asa,
Nibaribary tamin'ny fihetsika;
Voron-kely voarasa,
Taovan-kena voatetika.
Injany fitiavanao ahy,
Fitiavana feno fankahalana;
Tena tsy mampiahiahy
fa fitiavana tsy azo ilakana.
Raha ny avona sy ny tariny,
Ohatran'ny bay an-kandrina;
Efa im-piry izaho no nanariny,
Efa im-betsaka no nifanandrina.
Ny valin-teny moa mihabotolo,
Ny vavaratsy miraradraraka;
Sakay pinjy be tongolo,
Sady mandemy no mahavalaka.
Injany ka tena fitiavana,
Fitia tsy miharo fitaka;
Teo am-pitenenana fandavana
Nahitako anao nibitaka.
Tena feno ny fitiavanao,
Tsy misy intsony hanampiana;
Ampy ho ahy ny vitanao,
Zakaiko na dia fahoriana.
NY HERIMARO
20/12/2019
16:29'
Maroc
Mombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : herimar
Daty : 20/12/2019
Mpamangy : 792
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RY ZANAKO VAVYMISY FARANY
ANA-JOKY
Mpianaka MATIM-BONINAHITRA
TE HO POETA AHO
TSIKY SY TOMANY
TSY MAINTSY MANAIKY
Ho AN'I DADA MALALAKO
Moa ve misy?
TALAHO FARANY